Ses poèmes

Fikirizana

Hono hoy aho ry Dadabe,
aza fady, aza tsiny.
Hataonao inona ange
iny vy bontolo asainao iny ?

Ity ve, anaka ? Hovako fanjaitra..
Ho fanjaitra !
Gaga i Miray sady taitra.
Dia ho vitanao anio ve iny, ry Dadabe ?
Mety tsy ho vitako angamba.
Nefa rahampitso aho tsy hihambahamba
fa hikiky azy ihany
Ny ampitson'iny, ny ampitso koa
hokikisako hatrany.
Na dia mafy sy tsy laitra,
Tsy hihijanona aho lehiroa,
raha tsy vitako fanjaitra

Ny tena mariazy

Ny andron'ilay vodiondry natolotra,
tsy inona izany,
na nisy sakafo nanamandina molotra,
fa dingana ihany.

Tsy tamin'ny datin'ilay nisoratana
nifanaovan-tsonia
Izay nahazoana nifampitanana
sy niaraka dia
Tsy ilay dom-baravarana, niandrasana valy
ny faniriana navelatra
Tsy tany am-piangonana nisaronm-boaly,
nifanolotra peratra

Fa : tamin'ilay segondra mangina
Ny nahita azy
dia Andriamanitra irery tsy ampiana
Sitrapo fa tsy sazy
no nifanaovana ENY, nifanaovana DINA
Izay no mariazy

Tiako

Tiako ny taniko
i Madagasikara
Tiako sy mamiko
horaketin'ny ao afara

Tiako ny teniko
Ny teny malagasy
Tiako ny peniko
hahay an-taratasy
ny hasoan'ny teniko

Ho tia ny fireneko
izaho ho fiasana
Ny tenako homeko
hitety ireo tanàna

Tiako koa ianao
Ho tia miaraka amiko
hihira toa izao
an'i Gasikara mamiko
Tiako koa ianao

Menatra - Tsy menatra

Menatra izahay satria : izahay no jerena
Tsy menatra indray satria : hiaina fahaleovantena

Menatra izahay satria : tsy zatra ny misehoseho
Tsy menatra indray satria : nampoizinay rahateo

Menatra izahay satria : sambany mba manam-bady
Tsy menatra indray satria : olon-dehibe sahady

Menatra izahay satria : manatrika anareo havana
Tsy menatra indray satria : anehoanareo fitiavana

Menatra izahay satria : izato trano feno hika
Tsy manatra indray satria : mpihavana daholo isika

Inona no dikan'ny fanambadiana ?

Inona no dikan'ny fanambadiana ?
Fiombonan-ko ray
Iray tarigetra ny tia sy ny tiana,
Ary ho mandrakizay
Nandroso ianareo nandao ny mahazaza
izao dia miova
Manaiky hisetra ny fiainan-tsahaza
Koa mahaleova
Avo ny lanitra nefa takaro
tsy ho badenina
Aoka ianareo ho fianaran'ny maro
amin'ny atao sy tenenina

Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Izaho aloha dia tsy afenina fa tena be fitiavan-tena
Izaho irery no heveriko tokony hahazo sy homena
Fa ianareo koasa aoka hataoan-kila-bao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Rehefa tonga ny fotoana fiaraha-misakafo
Ny anjaranao kelikely, ny ahy atao mitafotafo
Tsy indray mandeha izay, fa isan'andro vaky izao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Ao anaty tokantrano : izaho ihany no mandidy
Ny olon-kafa tsy miteny, tsy mba manana safidy
Ny ankizy sasany efa miha ho tofoka sy lao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Nisy ireo adidy maro tokony ho nandehanako
Izaho sady tsy nandeha, ireo nazoto nosakanako
Velona ny fifamaliana, hasosorana moa izao !
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Raha tsy nisy ny natao dia nitety varavarana
Velona ny resabe sy ny fosa tsy nifarana
Ranona iny anie r'ireto : toa izao sy toa izao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Tao ireo zavatr'olona nindramiko tsy voaverina
Nefa fitaovana ilainy tokony mba ho naterina
Tonga ny tompony mitaky, menatra aho hitanao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Teo amin'ny fiaraha-monina, nisy asam-pokonolona
Tsy nandraisako anjara, nilaozako niolonolona
Tsy firaisan-kina izany ary tena tsy fanao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Nisy tsy fitiava-namana vokatry ny fialonana
Tsy tao an-tanàna ihany, fa hatrany am-piangonana
Hoy ny Tompo raha nibitsika : vonoy izany sy fafao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Indray mandeha nisy vola nosamboriko tamin'ny namana
Tsy voaveriko mihintsy, tapaka ny fihavanana
Taty aoriana aho niaiky hoe diso ny natao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao

Nisy sombin-tanin'olona nobodoiko novolena
Fitsaran'ny fokonolona vao nialako sy nekena
Henatr'olona moa ny ahy fa ambarako aminao
Tsy averiko intsony amin'ny taona vaovao

Tapitra ity ny taona, ny fahotana sy ny ditra
Nohamamiako saika tsy nisy farany, tsy ritra
Tapa-kevitra aho anio, ary hataoko ho hitanao
Tsy haveriko intsony amin'ny taona vaovao


Copyright (C) 2009. Tous droits réservés.